Acts 3

1Ary Petera sy i Jaona niakatra teny amin’ny tempoly tamin’ny oran’ny fivavahana, ny ora faha sivy. 2Ary nisy lehilahy iray nalemy efa hatrany am-piterahana nentina isan’andro teny amin’ny Vavahady Tsaran’endriky ny tempoly, mba hangataka fanomezana ara-bola any amin’ireo olona izay mankeny amin’ny tempoly. 3Rehefa nahita an’i Petera sy i Jaona izay handeha hiditra ny tempoly, dia nangataka fanomezana ara-bola tamin’izy ireo izy.

4Nibanjina ny masony niaraka tamin’i Jaona i Petera dia niteny hoe: “Jereo izahay”. 5Ilay lehilahy malemy nijery azy ireo, nanantena ny handray zavatra avy any amin’izy ireo. 6Nefa i Petera niteny hoe: “Volafotsy sy volamena no tsy ananako, nefa izay ananako, no homeko anao. Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mandehana.”

7Nandray azy tamin’ny tanana havanana, i Petera nanangana azy, ary avy hatrany dia lasa natanjaka ny tongotr’ilay lehilahy sy ny kitrokeliny. 8Nitsambikina, ilay lehilahy malemy dia nitsangana ka nanomboka nandeha; ary niaraka niditra tamin’i Petera sy i Jaona tao an-tempoly izy, nandeha, nitsambikina, ary nidera an’Andriamanitra.

9Ny olona rehetra dia nahita azy nandeha sy nidera an’Andriamanitra. 10Tsikaritr’izy ireo fa izy ilay lehilahy nangataka fanomezana ara-bola tamin’ireo olona teo amin’ilay Vavahady Tsaran’ny tempoly; ary tena gaga sy talanjona izy ireo noho ny zavatra nitranga taminy.

11Ary noho izy nitazona an’i Petera sy Jaona, ny olona rehetra dia nirohatra nankeny amin’izy ireo teny amin’ny fialofana izay nantsoina hoe fialofan’i Solomona ny olona rehetra, ary tena talanjona. 12Rehefa nahita izany i Petera dia namaly ny olona hoe: “Ianareo ry vahoakan’Israely, nahoana no talanjona ianareo? Nahoana ny masonareo no mandinika anay, ohatran’ny hoe herinay na fahamasinanay manokana no nampandeha azy?

13Ny Andriamanitry Abrahama, sy an’Isaka, ary an’i Jakoba, ilay Andriamanitr’ireo raintsika, nanome voninahitra an’i Jesosy mpanompony. Izy ilay natolotrareo sy nolavinareo teo anoloan’i Pilato, tamin’izy nanapa-kevitra ny handefa azy. 14Nolavinareo Ilay iray izay Masina sy Marina ary naleonareo nangataka ilay mpamono olona mba ho alefa ho anareo.

15Novonoinareo ny Mpanorina ny fiainana, izay natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty_ary vavolombelon’izany izahay. 16Ankehitriny, noho ny finoana amin’ny anarany_ilay lehilahy izay hitanareo sy fantatrareo_iny anarana iny ihany no nahatonga azy hahery. Ny finoana avy amin’i Jesosy no nanome izao fahasitranana feno izao ho azy eto anatrehanareo rehetra.

17Ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa nanao izany ianareo noho ny tsy fahalalanareo, toy ny nataon’ireo mpitondra anareo ihany koa. 18Fa ireo zavatra izay voalazan’Andriamanitra mialoha tamin’ny vavan’ireo mpaminany rehetra, hoe tokony hijaly ny Kristiny, fa efa tanterany ankehitriny.

19Mibebaha, noho izany, ary miverena, mba ho voavono ny fahotanareo, mba ho tonga ny fotoana mahavelombelona eo anatrehan’ny Tompo; 20ary mba handefa an’ilay Kristy izay voatendry ho anao izy, dia i Jesosy.

21Izy ilay tsy maintsy ho raisin’ny Lanitra ambara-pahatongavan’ny ora famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra, momban’izay nolazain’Andriamanitra fahiny tamin’ny vavan’ireo mpaminany masina. 22Niteny tokoa i Mosesy hoe: ‘Ny Tompo Andriamanitra dia hanangana mpaminany toa ahy avy amin’ireo rahalahinareo. Ianareo hihaino ny zava-drehetra izay ho lazainy aminareo. 23Hitranga ny hoe izay olona rehetra tsy mihaino izany mpaminany izany dia ho ringanina tanteraka tsy ho ao amin‘olona.’

24Eny, ary ireo mpaminany rehetra nanomboka teo amin’i Samoela sy ireo izay tonga taoriany, dia niteny mafy sy nanambara ireo andro ireo. 25Ianareo no zanak’ireo mpaminany sy ny fanekena izay nataon’Andriamanitra tamin’ireo razambe, araka ny nolazainy tamin’i Abrahama hoe: ‘Ao amin’ny taranakao dia ho tahiana ireo fianakaviana rehetra eran-tany.’ Taorian’ny nananganan’Andriamanitra ny mpanompony, dia nandefa azy ho anareo aloha izy, mba hitahy anareo amin’ny fialanareo amin’ny faharatsianareo.”

26

Copyright information for PltULB